Hafatry ny Mpiandraikitra Foibe - fjkm.saint.denis.free. ?· Amin’ny maha olom-pirenena anao dia raiso ny andraikitra, mandehana raha mbola manana ny Zo sy hery hifidy. Koa dia mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny faherezana rehetra. Ho voninahitr’ilay efa niantso antsika. AMIN’NY ANARAN’NY MPIANDRAIKITRA FOIBE NY FILOHA RASENDRAHASINA LALA, MPITANDRINA 1

  • Published on
    03-Feb-2018

  • View
    220

  • Download
    3

Embed Size (px)

Transcript

  • HAFATRY NY MPIANDRAIKITRA FOIBE

    Nivory tao Vohipiraisana Antananarivo 04-11 Oktobra 2006

    Mandehana raha mbola manana ny mazava ianareo (Jao. 12:35b)

    Ry havana, Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy aminAndriamanitra Ray sy Jesoa Kristy

    Tompontsika ary ny herinny Fanahy Masina. Isaorana anie Andriamanitra Tomponny asa fa tanteraka soa aman-tsara ny fivorianny Mpiandraikitra

    Foibe MF 05/SL XV, fivoriana faharoa sady farany taminity taona 2006 ity. Fisaorana eram-po tokoa no atolotra ireo Fiangonana sy Sampana naneho indray ny fiombonantsika aina ka nanohana taminny fanatanterahana izany fivoriana izany. Sehatra telo hatrany moa no nitsinjarana ireo tatitra sy lahadinika nodinihana dia ny lafiny fampandrosoana ny Fiangonana sy ny Sekoly ary ny fitantanana ny Mpiasa sy ny vola. Isaorana ny Tompo noho ny fihatsaranny fiainam-piangonana eo aminireo lafiny telo ireo, ka nahafahantsika naneho fa Fiangonana manana ny mazava tokoa isika. Mahabe fanantenana araka izany ny hafanam-ponny Fiangonana aminny hetsika Jesoa Kristy ho anI Madagasikara (JKM). Mampahery ny Synodamparitany sy ny isam-piangonana ry handray anjara feno aminny hetsika rehetra mandritra ny taona 2007 sy 2008, ka hamolavola ny laminasa sy ny tetibola ho aminizany, indrindra moa fa efa vita izao ny boky JKM, izay anaingana ny hanananny kristiana tsirairay izany. Ho fanatsarana hatrany ny fomba fiasa dia tapaka teto aminity fivoriana ity ny lasitry ny tatitra manomboka izao. Mampisaotra anAndriamanitra ny fitohizanny ezaka fanatsarana ny fiainanny Sekoly, izay mivoatra ho aminny tsara hatrany aminny ankapobeny, ka anisanizany ny nahavitana ny fampiofanana talen-tsekoly ambaratonga I miisa 350. Miroso hatrany aminny fihatsarana ihany koa ny fiainanny Fiangonana, aminny lafiny fitantanana. Ny kendrena aminizany moa dia ny fitantanana manara-penitra ijoroanny isanambaratonga ho vavolombelona. Tsapa tokoa ny ezaka avy avy aminireo Fitandremana sy Synodamparitany ho aminny fiombonana. Nihamaro isa ireo nahatontosa ny adidiny ary dia tolorana ny fankasitrahana izy ireo. Ampaherezina koasa ireo tsy mbola nahavita mba hanohy hatrany ny ezaka. Tsarovy am-bavaka ry havana, ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny fanavaozana ny tomponandraikitra isanambaratonga eto aminny sahanny FJKM aminny taona 2007. Aza adino ihany koa ny mitondra am-bavaka ny Synoda lehibe manaraka, SL XVI, izay tapaka fa hontanterahana any Mahajanga aminny volana Aogositra 2008, ka ny teny faneva aminizany dia hoe: Ny marina aminny finoana no ho velona. Romana 1:17. Ao anatinizany rehetra izany dia tsaroana etoana ny teninny Apostoly Paoly manao hoe:Fa tsy nomenAndriamanitra fanahy osa isika fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. Koa aza menatra ho vavolombelonny Tompontsika. Ny tanjaka sy ny hery aminny maha Fiangonana antsika dia ho tanjaka sy hery ho anny fiaraha-monina sy ho anny firenena koa. Manoloana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, samia isika Fiangonana mijoro hatrany ho fanilo, ka tsy hitsahatra mivavaka, mba hahatanteraka ny Teninny Soratra Masina hoe: Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fifonana, fisaoran ho anny olona rehetra, ho anny mpanjaka mbaminizay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay aminny toem-panahy araka anAndriamanitra sy ny fahamaontinana rehetra. (I Tim. 2:1-2). Aminny maha olom-pirenena anao dia raiso ny andraikitra, mandehana raha mbola manana ny Zo sy hery hifidy. Koa dia mahereza ao aminny Tompo sy aminny faherezana rehetra. Ho voninahitrilay efa niantso antsika.

    AMINNY ANARANNY MPIANDRAIKITRA FOIBE NY FILOHA

    RASENDRAHASINA LALA, MPITANDRINA

    1

    RASENDRAHASINA Lala, Mpitandrina

Recommended

View more >