Ny Fomba Fampiasan’nyankizy Ny Zavamaniry ?· B. Ranjevasoa - Ny Fomba Fampiasan’nyankizy Ny Zavamaniry…

  • Published on
    03-Jan-2019

  • View
    212

  • Download
    0

Embed Size (px)

Transcript

Correspondence

http://hdl.handle.net/10125/187

Ethnobotany Research & Applications 3:339-343 (2005)

Bako Nirina Ranjevasoa, GRENE, Toamasina 501, MADA-GASIKARA. bakoranj@yahoo.fr

Fampidirana

Ity fanadihadiana ity dia ampahany aminireo fanadia-diana nataonireo mpiofana momba ny fifandraisanny koltora, ny olona, ny zavamaniry ary ny totolo iainana teto aminny fokontany Morarano, kaominina Mahavelona na Foulpointe. Maro ireo fanadihadiana natao fa ity kosa dia mikasika manokana ny ankizy sy ny zavamaniry manodi-didna azy.

Tanjona

Ny tanjonity fanadihadiana ity dia ny mba hahalalana ny taham-pahafantaranny ankizy ny zamaniry sy ny tontolo iainany.

Toerana

Tao aminny fokontany Morarano, kaominina Foulpointe no natao ny fanadihadiana. Tannani Morarano sy Saha-mamy no nanaovana azy. Ahitana olona miisa 800 eo ho eo ny fokontany ary mpamboly avokoa ny olona ao.

Fomba Nentina Nanao Ny Fananadiadiana

Dingana maro no nentina nanatontosa ny asa mba hana-trarana ny tanjona. Taminny andro voalohany dia nanan-tona ireo olo-maventy tao aminny tanna (tangalamena sy filoham-pokontany) ny mpianatra rehetra. Rehefa vita ny raha koranina dia samy nandeha nanefa ny asa mi-andry azy avy ny tsirairay.

Ny anay moa dia ny ankizy teo aminny telo taona ka hatraminny 12 taona teo no niarahana miasa saingy nisy olo-maventy nanontaniana ihany koa mba hahafan-tarana ny fiovana. Tanna roa tao aminio Fokontany no nantonina: Sahamamy sy Morarano. Taminny fikoranana

taminireo ankizy madinika tao an-tanna ny fomba nana-tanterahana ny asa. Fanontaniana maro efa nomanina mialoha no napetraka taminizany ka ho anny zaza ma-dinika dia miaraka nanotaniana fa ny anny olo maventy dia natao tsirairay ny fanadihadiana.

Ireto ny karazam-panontaniana napetraka:

Inona ny fialambolinny ankizy?Ahoana ny fidaolany azy?Inona avy ny zavatra ampiasainy aminizany?Iza no nampianatra azy ireo izany?

Nojerena lalindalina kokoa ny fomba fampiasanizy ireo ny zavamaniry ka toy izao ny fizotranizany:

Inona ny fahalalany ilay zavamaniry?Ahoana ny fomba fampiasany azy?Ampahany aiza aminilay zavamaniry no alainy?Moa ve misy daola ampiasainy aminny vanim-poto-tana manokana?Aiza ny toerana angalany azy?

1.2.3.4.

Ny Fomba Fampiasannyankizy Ny Zavamaniry

Bako Nirina Ranjevasoa

Ethnobotany Research & Applications340

http://hdl.handle.net/10125/187

Moa ve misy zavamaniry fady natsy azo ampias-aina?

Vokatra Azo

Karazanolona nadiadiana

Olona 23 no natonina ka ny 73,86% nizireo dia ankizy avokoa. Ny Tabilao 1 dia mampiseho ireo karazanolona nanaovana ny fanadihadiana. Ny ankabeazanny olona nanaovana ny fanadiadiana dia zaza avokoa ka ny vavy no maro taminizany.

Tabilao 1. Fizaranny olona nadihadiana isaky ny soka-jin-taona.

Lahy VavyAnkizy (latsaky ny 12 taona) 4 13Olo maventy (mihoatra ny 12 taona) 3 3

Karazana daola fanao

Maro karazana ireo daola fanaonireo zaza tao an-tan-na. Misy anefa ireo nataonireo olo taloha tsy ataonizy ireo intsony ary misy ireo ataony tsy fanaonny olo taloha (Tabilao 2).

Noho ny valim-panadihadiana natao taminireo tanna roa heverinay mifameno dia natambatra ho iray ny voka-tra azo taminizy ireo.

Efatra ambiroapolo (24) karazana ny totalinny daola nikoraninireo olo tafaresaka taminay. Ny efatra ambinifolo (14) aminireo no mampiasa zavamaniry ka ny 5 daolanny zazalahy manokana, ny 1 daolan-jazavavy ary ny 7 kosa iraisanizy ireo.

Ny zavamaniry ampiasanireo ankizy

Tabilao 2. Ireo karazan-dalao misy. (X = mampiasa)Lalao Ankizy Olo taloha Mampiasa

zavamaniryLahy Vavy Lahy Vavy

Gogosy na saringola X X X X XMalaka kitay X X X X XMambokona aminny tady X X X X XKorokoko na tsidoladola X X X X XBaolina X X XBingy X X XMandro X X X XAomby mifampitolona XMamay vay X X XManjono X X X X XMamandrika vorona X X XMitifitra vorona X XSabaka X XBitsilia X XMiambina akoho X XRadimy X XBatone X XMifanenjika X XKanety XTsitranotrano X XBitikilange X XMisioka ravina ledisy X X XTsipotitrakanga X XTomobilina X X

Aminireo karazan-daola hampiasainizy ireo zavamaniry dia toy izao manaraka izao ny fomba fampiasana ireo karazan-javamaniry:

Karazan-javamaniry fito ambiroapolo (27) no ampiasaina aminireo efatra ambinifolo (14) karazan-daola voalaza etsy ambony (Tabi-lao 3). Ny fontsy sy gavo no tena matetika fampiasany, dia avy eo ny ranominty, kinino, volo ary ny rafia. Azo fintinina aminny Kisary 1 izany. Fampitahana aminny daola amidy eny an-tsena

Araka ny Tabilao 4 dia hita fa vitsy aminireo daolan-jaza no hita eny aminny tsenanny Foulpointe. Ireo hita ao an-tsena anefa lafo vidy tokoa sady tsy dia maro isafidianana. Tabilao 4. Fampitahana ny sandanny daola an-tsena sy nataonny ankizy an-tanna.

Daola Vita an-tanna Amidy an-tsenaKorokoko 0 ar 3 000 arFintana 0 ar 250 arKanety - 20 ar

Famakafakana Sy Ady Hevitra

Raha ireo valim-panadihadiana ireo no jere-na dia hita fa:

Mampiasa zavamaniry betsaka ny anki-zy ary mahafantatra karazankakazo anala maro, satria miaina akaiky ny ala.

B. Ranjevasoa - Ny Fomba Fampiasannyankizy Ny Zavamaniry

http://hdl.handle.net/10125/187

341

Tabilao 3. Karazan-javamaniry hampiasaina isaky ny daola.Daola Zazamaniry Singa ampiasaina Fomba ampiasana azyGogosy na saringola Fontsy Tahony Hipetrahana dia migorosy mijotso

Voanio Tahony Hipetrahana dia mogorosoMalaka kitay Ranominty Tahony Ampiasaina ao an-trano

Kinino Tahony Ampiasaina ao an-tranoAlbiza Tahony Ampiasaina ao an-tranoGavo Tahony Ampiasaina ao an-tranoArongana Tahony Ampiasaina ao an-tranoKafe Tahony Ampiasaina ao an-tranoVoangy Tahony Ampiasaina ao an-tranoSoanambo Tahony Ampiasaina ao an-tranoGrevilea Tahony Ampiasaina ao an-tranoHazoambo Tahony Ampiasaina ao an-tranoTendrofony Tahony Ampiasaina ao an-tranoHazomainty Tahony Ampiasaina ao an-tranoAmpalibe Tahony Ampiasaina ao an-tranoManga Tahony Ampiasaina ao an-tranoVolo Tahony Ampiasaina ao an-tranoVombariaka Tahony Ampiasaina ao an-tranoPin Tahony Ampiasaina ao an-trano

Mambokona aminny tady Fontsy Tahony TadyKinino Tahony Hamatorana ny tadyRanominty Tahony Hamatorana ny tady

Korokoko Fontsy Ravina Tafo trano sy rindrinaRanominty Taolany AndryArongana Taolany AndryKinino TaolanyVoanio Koro VilanyMangahazo Ravina RoAkondro Felany HenaKafe Ravina LasetyVolo Taolany Koera

Baolina Voangy Voany DakanaDaola Zazamaniry Singa ampiasaina Fomba ampiasana azyBingy Fontsy Taolany Hivelesana bingy

Hasina Taolany Hivelesana ny bingyMamay vay Rafia Raviny Amboarana tady tadyManjono Viha Atiny Amboarana tadim-pintana

Longosa Taolany Amboarana aranjono

Ethnobotany Research & Applications342

http://hdl.handle.net/10125/187

Mamandrika vorona Ampalibe Dinty Apetaka ambony kakazoRafia Tady FandriboronaGavo Taolany Amatorana ny tady fandriboronaVary Voany Hisarihana ny vorona

Mitifitra vorona Gavo Tahony Amboarana filesyTsitranotrano Rafia Baobaondrafia Amboarana trano kelyBitikilange Volo Taolany Asarona lavaka

Gavo Taolany Amatorana ny tady kelyMitsioka ravina ledsy ledsy Raviny TsofinaTomobilina Fontsy Taolany Amboarana vatany

Tabilao 3 (cont.). Karazan-javamaniry hampiasaina isaky ny daola.

0

0.5

1

1.5

2

2.5

3

3.5

4

4.5

1 2 3 4 5 6 7 8 9 1 0 1 1 1 2 1 3 1 4 1 5 1 6 1 7 1 8 1 9 2 0 2 1 2 2 2 3 2 4 2 5 2 6

Za va m a n iry

Isan-

jato (

%)

Zavimaniry

Isan

-jato

(%)

Kisary 1. Ny taham-pampiasana ny zavamaniry. [1. Fontsy (Ravenala madagascariensis Adans.), 2. Voanio (Cocos nucifera L.), 3. Ranominty (Tetranthera laurifolia Jacq.), 4. Kinino (Eucalyptus sp), 5. Albiza (Albizzia sp), 6. Gavo (Psidium cattleianum Sabine), 7. Arongana (Harunga madagascariensis L.), 8. Kafe (Coffea canephora var. robusta (Linden) A. Chev.), 9. Voangy (Citrus sp), 10. Soanambo (Arthrocarpus incisus (Thunb.) L.f.), 11. Grevilea (Grevillea banksii R.Br.), 12. Hazoambo (Xylopia sp), 13. Tendrofony (Calantica sp), 14. Hazomainty (Diospyros sp.), 15. Ampalibe (Artocarpus integrifolia L.f.), 16. Manga (Mangifera indica L.), 17. Volo (Bambusa sp), 18. Vombarika (Anacardium occidentale l.), 19. Pin (Pinus sp), 20. Mangahazo (Manihot esculenta Crantz), 21. Akondro (Musa acuminata Xbalbisiana Colla.), 22. Hasina (Dracaena reflexa Lam.), 23. Rafia (Raphia ruffia (Jacq.) Mart.), 24. Viha (Typhonodorum lindleyanum Schott.), 25. Longosa (Hedychium coronarium J. Knig), 26.Vary (Oryza sativa L.), 27. Ledsy (Nephelium sp)]

Ny karazan-daola korokoko dia nampiseho ny fomba amam-piainanizy mianakavy ao an-trano. Hita ary fa mahalala ny asa aman-draharaha sahady ao an-to-katrano sy ny atao any anala ny ankizy. Ahazoana fahalalana maro momba ny fiainana ankapobeny ny ankizy satria manana fahalalana maro momba izany izy ireo.Eny aminny manodidina (alan-kafe, savoka) ihany no akana ireo zavatra ampiasainy ireo satria araka ny nambaranizy ireo dia tsy azo hidirana anaty ala fa mampigadra.

Na dia misy tsy mitovy aza ny daolanny olo taloha sy ny zaza ankehitriny dia hita fa mitovy ihany ny kara-zan-javamaniry ampiasaina satria ireo zokiny teo aloha ihany no nampianatra ny zandriny ny daola. Vokany, mitohy aminny taranaka maro ny karazan-daola. Midika izany fa miampita aminny taranaka ny fahalalanireo olo taloha.Fadinny ao an-tanna ny midaola ravim-pontsy maintso sy voangy maitso rehefa midona ny andro fa mandatsa-baratra ao an-tanna

B. Ranjevasoa - Ny Fomba Fampiasannyankizy Ny Zavamaniry

http://hdl.handle.net/10125/187

343

Na dia nanahirana aza ny nanomboka ny fanadihad-iana miaraka aminny ankizy noho izy ireo saron-ke-natra, dia nisokatra ihany ny korana rehefa ela ny ela. Noho izany mila fotoana maharitra sy faharetana ny fiaraha-miasa aminizy ireo, ary ny fiarahana nid-aola taminy no fomba iray nampisokatra azy ireo. Raha araka ny filazanny olo maventy dia tsy dia midaola loatra ny ankizy ankehitriny noho ireo talo-ha satria mianatra sy manao ny asa ao an-tanna manampy ny ray aman-dreniny no tena mandany ny fotoanany.Misy karazan-daola azonny ankizy any am-pianara-na na avy amin-dramose na avy aminny mpiarami-anatra. Ny serasera any an-tsekoly izany dia fitaova-na iray azo ampiasana ho fampianarana ny ankizy ny momba ny zavaboahary sy ny fiarovana azy.

Famarana

Nahalalana zavatra maro momba ny olona ao aminny fo-kontany Morarano ny fanadihadiana natao tao nandritra

ny asa fampiharana izay natao tao nandritra ny 3 andro. Ny tena nisongadina tato aminity fanadihadiana ity dia ny fahaizanny zaza mampiasa ny zavamaniry misy mano-didina azy. Mino izahay fa mora ny misarika ny sainizy ireo ny aminny fiarovana ireo zavaboahary ireo satria efa tsapany sahady fa ilaina tokoa aminny fiainana andava-nandro izy ireo.

Fisaorana

Eto izahay dia misaotra ireo rehetra nanampy taminity fanadihadiana ity:

Ireo Mpampianatra, Profesora Will McClatchey sy ny mpanampy azy LisaIreo namatsy ny fampianaranaIreo Tangalamena,lehibem-pokotany sy ny fokonolo-na tao Morarano sy Sahamamy. Ireo ankizy rehetra; Rodin, Mena, Telo, Veo, Neny, Kila, Noro Pintsa, Bruno, Claudia, Boris, Gervais, Ni-rina sy ireo ankizy namany ary ireo ray aman-dreny.

Misaotra betsaka antsika jiaby!

Bako mijery ireo ankizy milalao tao Sahamamy (mambokona aminny tady.

Ankizy manao Korokoko.

Ethnobotany Research & Applications344

http://hdl.handle.net/10125/187

Recommended

View more >